Sosialy

Anjanakilahy anosizato atsinanana I Ny anadahiny ihany no namporisika ny fanolanana ny anabaviny


  • Sabotsy 11 Aogositra 2018

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tao amin’ny Fokontanin’Anjanakilahy Anosizato Atsinanana I, tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo.

 


 

Zazavavy kely iray vao 15 taona monja  mantsy no voaolana, ka ny anadahiny iray efa 24 taona ihany no namporisika an’ireo namany hanao izany. Naolan’ireo naman’ity anadahiny ity io zazavavy kely io no sady mbola nosolain’izy ireo  ihany koa ny volony iray manontolo. Mipetra-drery mantsy izy mianadahy ireto fa tsy miara-monina amin-dray aman-dreniny. Tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo dia nankalaza ny tsingerin-taona nahaterahany ilay tovolahy, ka nanasa an’ireo namany. Niitatra tany amin’ny fanolanana izany, ka andro vitsivitsy taty aoriana vao tonga nanatona ny fikambanana HAFARI Malagasy etsy Anosizato ilay zazavavy voaolana, nitantara ny zavatra niainany. Efa eo am-pelatanan’ny pôlisy misahana ny zaza tsy ampy taona moa ny raharaha, ka nalefa noraisin’ny Centre Vonjy etsy Befelatanana ilay zazavavy. Olana hafa anefa ny tsy fisian’ny mpiantoka an’io zazavavy kely io, ireo ray aman-dreniny rahateo tsy misy mivaky loha, araka ny fantatra, ka omaly zoma vao naverina nojerena indray ny raharaha. Mila malina tsara isika Ray aman-dReny miteraka vavy noho izany satria na ny anadahin’izy ireny aza dia efa tsy hatokisana intsony koa raha ity tranga ity no jerena.

Patty

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT