Sosialy

Anjanahary Tratra ireo mpangalatra Moto sy TV Ecran Plat


  • Zoma 06 Martsa 2020

Ny sabotsy 29 febroary 2020 tokony ho tamin'ny 06 ora sy sasany hariva rehefa nanao fisafoana ny polisin'ny CSP3 Antaninandro teny amin'ny faritra

 

Anjanahary dia nahatsikaritra lehilahy 2 nampiahiahy nipetraka teo ampitan'ny fasana Anjanahary miaraka amin ny moto iray. Rehefa nanatona hanao fisavana ny polisy dia namoaka basy poleta voafahana avy any am-balahany ny  iray tamin'izy ireo ary nikasa ny hitifitra avy hatrany. Niroso avy hatrany tamin'ny fisamborana ny polisy ka tra-tehaka io raha niezaka nitsoaka kosa ny namany iray saingy tsy lasa lavitra dia tra-tehaky ny polisim-pirenena . Nahitana pistolet automatique marika BERETTA CALIBRE 7.65 mm miaraka amin'ny bala 04 (7.65 mm) sy bala 04 (09 mm), BIG BOSS 01 ary akanjo maromaro fisoloana tany  amin’izy ireo . Rehefa natao ny fanadihadiana dia niroso tamin'ny fisavana ny tranon'izy ireo tao Manarintsoa afovoany ny polisy ary hita tao ny moto halatra miisa 02 (YAMAHA ZR EVOLUTION, JOG 90), cadre BWIS sy carenage ary kojakoja ana moto maromaro hosoloina motera vidiany amin'ny bonne occasion mialoha ny hamarotany azy. Mbola nahitana télé écran plat SAMSUNG 32 pouces halatra ihany koa ny tranon'ny vadin'ny iray tamin'izy ireo mipetraka any Ambohijanaka. Niaiky moa izy ireo fa halatra daholo ireo entana tratra ireo. Tamin’ny famotorana natao tamin’izy ireo ihany koa no nahafantarana fa nanafika CASH POINT  iray  teny amin'ny manodidina ny HJRA Anosy izy ireo ny jolay taona 2018 ka vola mitentina 7.500.000 Ariary, telephone maromaro ary moto BWS 01 no lasan'izy ireo ary mbola saika nikasa hanafika pharmacie iray  eto an-drenivohitra izy ireo amin' ity herinandro ity. Natolotra ny fitsarana omaly izy roalahy ireo.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT