Sosialy

Angovo sy fambolem-bary Hanome tohana 366 miliara Ar ny AFD


  • Talata 25 Jolay 2023

Notanterahina omaly 24 jolay 2023 ny fanaovan-tsonia fifanarahana ara-bola telo sosona eo amin’ny Governemanta malagasy sy ny Governemanta frantsay,

izay niarahana tamin’ny AFD na ny Sampan-draharaha Frantsay momba ny fampandrosoana. Tetikasa voalohany ny momba ny angovo, izay miompana amin’ny famatsiana herinaratra ny toerana ambanivohitra any amin’ny faritr’i Melaky, Menabe, Atsimo Andrefana, Androy ary Anosy ny roa amin’ireo izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa Angovo. Mitentina 166 miliara ariary ireo tetikasa ireo. Ny fahatelo kosa dia tafiditra ao anatin’ny tetikasa Talaky Be izay entina hanatsarana ny fivoaran’ny fambolena isan-karazany ao amin’ny kaominina miisa 25 amin’ny faritra Anosy, izay mifanandrify amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro, mitentina 200 miliara ariary. Tao anatin’io no nilazan’ny Minisitry ny toekarena sy ny fitantanam-bola, fa mariky ny fisian’ny fifampatokisana ny fisian’ny fisian’ny fifanaraham-piaraha-miasa tahaka izao, izay nambara fa tafiditra anatin’ny fanantanterahana ny velirano. Nisolo tena ny Governemanta malagasy tamin’izany ny minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ny minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo, ary ny minisitra lefitra misahana ny Fambolena. Nanome voninahitra izao fotoana izao ihany koa ny Ambasadaoron’i Frantsa, Andriamatoa Arnaud Guillois sy ny Chef de coopération avy amin’ny Vondrona Eropeana, Andriamatoa Arnaud Borchard. Tsy vao sambany no nisy sonia tahaka itony, fa ny fivadihany ho asa no andrasana. Raha mikasika ny fiarahana amin’I Lafrantsa manokana, efa tany amin’ny taona 2019 nandritra ny fihaonan’ny Filoha Emmanuel Macron sy ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina no niresahana 240 tapitrisa ho an’I Madagasikara, ary miverimberina foana io rehefa misy fihaonana ara-diplaomatika lehibe, saingy rehefa zohiana dia zavatra mitsitaitaika, ary manafosafo hatrany amin’ny 2030, ka tsy tena hita taratra mivantana amin’ny fiainam-bahoaka ny vokany hatreto, ary rehefa avadika amin’ny vola Ariary tahaka izao dia toa mamono lolo ilay sora-bola.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT