Sosialy

Angovo fampiasa an-tokantrano Hidina ny vidin’ny Vitogaz manomboka anio


  • Alarobia 15 Desambra 2021

Hiverina amin’ny laoniny sy ny nahazatra ny mpanjifa hatramin'izay ny vidin'ny entona fandrehitra fampiasa ao an-tokantranp na “gaz”

 eny amin’ny Vitogaz manomboka anio alarobia 15 desambra 2021, raha ny vaovao azo omaly. Ny vidin'ireo karazany rehetra talohan'ny 30 septembra teo izany hiverina sy hihatra manomboka anio izany. Raha hiverenana, manodidina ny 10 ka hatramin’ny 16% io ny fiakaran’ny Vitogaz, izay nampikaika ny tokantrano mpampiasa io angovo io, saingy hiverina amin’ny teo aloha izany, mba ho fitsinjovana ireo mpanjifa. Naverina ho 51 800Ar izany tavohangina gaz 9kg izay niakatra 60 500Ar teo aloha. Hiverina 72 000Ar ny 12 kg izay efa tafiakatra 84 000Ar,… Taorian’ny fifanenjanana, azo lazaina ho nahomby izany ny fandresen-dahatra sy ny hevitra naroson'ny Minisitry ny Indostria sy ny Varotra ary ny fanjifana, Edgard Razafindravahy, nahatonga ireto mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny gaz nandray izao fanapahan-kevitra izao. Azo lazaina fa henjana ny adi-hevitra nandritra izay volana vitsivitsy izay, ary tonga hatrany amin’ny fanoloana ny Tale jeneralin'ny Vitogaz aza izany, izay vahiny teo aloha, ary teratany malagasy amin’izao fotoana izao. Fanamorana ny fampiasana gaz ho an'ny rehetra no isan'ny hanaovan'ny Ministeran'ny Indostria sy ny Varotra ary ny fanjifana ezaka tamin’izao fifandresen-dahatra izao. Voalaza fa vahaolana manoloana ny fahatapahan-jiro lava, sady angovo madio miaro ny fanimbana tontolo iainana amin’ny fampiasana arina sy kitay tonga amin’ny ilan'ny mpanjifa azy amin'zao ankatoky ny fety izao.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT