Sosialy

Angovo azo avy amin’ny masoandro Efa azo jifaina amin’ny finday


  • Zoma 31 Janoary 2020

Nampahafantarina omaly tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny foiben’ny orinasa Telma etsy Analakely ny vokatra vaovaon’ity

orinasam-pifandraisana ity dia ny angovo azo amin’ny herin’ny masoandro nampitondraina ny anarana hoe “MBaliaka”. Miisa 650 ireo toeram-pivarotana Telma azo anjifana azy io ary azo aloa tsikelikely na indray miaraka amin’ny Mvola izany, raha ny fanazavana hatrany. Ny 80%-n’ny Malagasy ankehitriny no efa mikirakira finday saingy 80% ihany koa ireo malagasy tsy afa-misitraka angovo eto amintsika. Misy karazany roa ity vokatra ity dia ny kelikely antsoina hoe “Home 40z” miaraka amin’ny sahafa fitarihana herinaratra avy amin’ny masoandro na “panneaux solaire” sy bateria sy ny lehibe antsoina hoe “Home 60”. Natao hanazava ny isan-tokantrano, hamahanana finday, hihainoana onjapeo sy izay rehetra manodidina ny akora efa ampiarahana aminy ihany anefa ireto vokatra ireto, raha ny fanamarihan’ireo tompon’andraikitra.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT