Sosialy

Angelo, ilay tovolahy kamboty teny Tsimialonjafy Noraisiny omaly ireo fanampiana azy avy amin’ny filoha teo aloha


  • Talata 05 Febroary 2019

Tovolahy kely iray nonina teny amin’ny fokontany Tsimialonjafy nisy ilay vato nianjera tamin’ny 19 janoary lasa teo i Angelo.

 Indray nafoiny tamin’izany ireo nahitany masoandro sy ny anabavikeliny iray, hany ka honjohonjony samy irery sisa no miatrika ny fiainana. Tohina vokatry ny tranga nahazo an’i Angelo ny filoha teo aloha Rajaonarimampianina Hery sy ny antoko misy azy ka nampanantena ny hiantoka ny fianarany iray manontolo mandrapahazoany ny mari-pahaizana Bakalôrea. Tena notanterahin’izy ireo tokoa ny fampanantenany omaly.  Tonga nanatitra fitaovam-pianarana hiatrehany ity  taom-pianarana 2018-2019 ity ny antoko HVM omaly, notarihin’ny sekretera nasionalin’ny antoko Atoa Mohamed Haloa Rachidy. Nahitana solosaina, vatsy ara-bola ary kojakoja toy ny penina…. izay noraisin’i Angelo sy ny mpitaiza azy. Nampanantena moa ity farany fa hiezaka mafy amin’ny fianarany mba tsy ho raraka an-tany ny fanohanana omen’ny mpiara-belona azy.

 

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT