Sosialy

Andry Rajoelina mivady Nanampy ireo ankizy marary


  • Alakamisy 26 Desambra 2019

Tonga nizara fanomezana sy kilalao ho an'ireo zaza rehetra tsaboina eny amin’ny hopitaly HJRA sy CENHOSOA Soavinandriana ny filoham-pirenena mivady noho ny fetin’ny asaramanitra ny 24 desambra lasa teo.

Nitondra vatsy sy fanampiana ho an'ireo ray aman-drenin'izy ireo izahay mivady satria mendrika ny hanao fety anaty hafaliana sy fifankatiavana toy ny rehetra izy ireo, hoy i Andry Rajoelina mba hahatsapany fa misy raiamandreny miahy izy ireo amin’izao noelim-pifankatiavana izao. Nisy ny fanolorana « panier garni » niampy valopy hanampiana ireo ray aman-dreny ao anatin’ny fitsaboana ny zanany ao anatin’izao andro fety izao. Omaly kosa dia tetsy amin’ny Toby Akamasoa Andralanitra ny filoham-pirenena sy ny ankohonany no niombom-bavaka sy nizara fanomezana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT