Sosialy

Andry Rajoelina “Ho foanantsika ny kere...”


  • Alatsinainy 05 Oktobra 2020

Vao nahare tatitra fa misy kere ady dia tsy nampaniraka olona fa ny tenako mihitsy no nidina taty, hoy ny Filoha Rajoelina tany Atsimon’ny Nosy ny faran’ny herinandro teo.

 

 Efa nisy ny faty olona sy sary nampivarahontsana, vao nanapaka tao anatin’ny Filankevitry ny minisitra ny fanjakana ny herinandro teo, fa hitondra fanampiana haingana any Atsimo. Nisy ny kamio mitondra rano nasehon’ny Filoha ny sabotsy teo, izay vahaolana vonjimaika, fa hatao izay hitarihana ny rano avy any Efaho sy Mandrare mba hosotroina sy ambolena, hoy izy. Nambaran’ny tamin’ny fandaharana manokana niainga tao amin’ny Fokontany Berombo, Kaominina Ankariera any Tolagnaro, fa haka manam-pahaizana avy any ivelany toa an’i Israel sy Allemange ihany koa hanofana ny tantsaha amin’ny fambolena. Tao anatin’ny 60 taona mahery no nisian’ny kere, tsy nisian’ny rano, ka fotoana hanovana izany. Tsy nisy vahaolana matotra sy maharitra napetraka tany Atsimo tao anatin’ny 60 taona, hoy i Andry Rajoelina. Hisy ny “Pipeline” miala Anosy, Amboasary…, ary hisy iray hafa hositrahan’ny kaominina 9, toa an’Ambovombe, Antaritarika,…. Hisy ihany ny avy any Ampotaka makany Tsihombe, Ampotaka-Androy, izay somary lavitr’ezaka kokoa, hoy izy. Efa misy ny fandalinana vita tamin’ny 1956 sy 1992 fa tsisy nanatanteraka, hoy i Andry Rajoelina. Tsiahivina anefa, fa nisy ny tetikasa goavana nataon’ny Fanjakana Rajaonarimampianina tamin’ny alalan’ny fitarihan-drano tamina fantsona 173 km, ka ny 10% sisa tsy vita no tonga teo ny fanjakana Rajoelina, ka izy no nitokana izany ny 30 jona 2019.

HIZARA SY HAMOKATRA SAKAFO

Hapetraka ao Ambosary, Ambovombe, Tsihombe, Beloha,… ny banky ara-tsakafo. Hatomboka ny fanisana mponina hahafahana mametraka “banque alimentaire”, ka hisy ny fizarana vary menaka,… isan-kerinandro eo. Misy ny efa nahazo ilay fanampiana “fiavota”. Fokontany 11 amin’ny 41 no nahazo azy io ao Ifotaka. Nanome toromarika sy niantso ny banky iraisam-pirenena, ka hozaraina sy hahazo avokoa ny fokotntany rehetra, hoy I Andry Rajoelina. Efa miaraka amin’ny PAM sy UNICEF, ka hatao tonga haingana sy atao tonga isam-bolana ny fiavota,… Hisy ny fiaraha-miasa amin’ny “nutriset”. Afaka iray volana sy tapany eo, dia efa tonga afaka iray volana sy tapany, ary efa any anaty sambo ny ozinina nutriset, fanomezana avy amin’ny Fondation Merieux miara-miasa amin’ny fikambanana Fitia, hoy i Andry Rajoelina. Nirarakompana ny fampanantenana, ka dia andrasana indray ny vokatra !

 

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT