Sosialy

Androndrakely Ampamantanana Mbola tsy milamina ny fanisam-bahoaka vaovao


  • Talata 11 Aogositra 2020

Na dia efa ny mpitandro ny filaminana aza no mirotsaka an-tsehatra manao fanisam-bahoaka ao amin’ny Fokontany Androndrakely Ampamantanana

 

 Boriborintany faharoa amin’izao dia mbola mampitaraina ny mponina ihany. Raha araka fanazavan’ny solontenan’izy ireo tamin’ny mpanao gazety omaly mantsy dia mbola ny sefom-pokontany sy ny lehiben’ny faritra izay tsy hananan’ny mponina fitokisana intsony ihany no mitarika ireo mpanao fanisam-bahoaka ireo hatramin’ny omaly. Izay tian’ireo sefom-pokontany sy ny lehiben’ny faritra ireo ihany no hitondrany ireo mpanao fanisam-bahoaka hoy hatrany ny Renim-pianakaviana iray. Tamin’ny alahady teo ohatra dia nosoritany mazava mihitsy fa ireo olona mpanam-bola teo akaikiny ihany no nidiran’ireo mpanao fanisana tao an-tokantranony raha nodinganina kosa izy sy ny manodidina azy. Notsiahivin’ity Renim-pianakaviana ity fa anisan’ny ahitana olana hatrany ny Fokontany Androndrakely Ampamantanana isaky ny misy zavatra hatao koa hiantsony ny mpitondra fanjakana mihitsy mba hanara-maso akaiky izany.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT