Omaly tamin’ny 3 ora tolakandro dia tany amin’ny 194 km Antsinanana somary Atsimon’Antalaha no nisy ny foiben’ilay rivodoza HEROLD, izay ao anatin’ny sokajy “forte tempête tropicale”.
102 Km/ora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra 145 Km/ora. Manomboka misitaka tsikelikely ny morontsiraka Masoala i HEROLD. Efa hita fa mihena ny rotsakorana any amin’ny faritra Sava sy Analanjirofo ka noho izany dia mampihatra ny fepetra mahakasika ny filazana miloko manga ny Distrikan’Antalaha sy ny faritra Analanjirofo. Ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’ny Antsiranana sy Brickaville dia iangaviana hatrany mba tsy hiandriaka, hoy ny fampahafantarana. Niakatra ny rano tany amin’iny ilany antsinanan’ny Nosy iny. Tondraka ny ankamaroan’ny tanàna ao amin’ny distrikan’I Maroantsetra na efa somary nidina 15 hatramin’ny 10cm ny rano omaly tolakandro, ka somary sarotra ny nandresy ny vahoaka hiala ny tranony mba hamonjy ny toerana azo ialofana. Ny Ben'ny Tananan’ Anjanazana moa dia nitatitra sy nanentana ny vahoaka mba hitandrina, saingy 12 mahery kely no nanaiky namonjy ny sekoly tao Anteviala mba hialoka. Nanentana ry zareo mba ho mailo amin’ny mety ho fiakaran'ny rano ny ekipa satria mbola mitohy ny orana. Omaly anefa, dia fa tena niakatra be kokoa ny rano. Nidina nijery ny zava-nisy tany Ambodivoanio Kaominina Ambanivohitra Anjanazana, Distrikan’i Maroantsetra ny ekipan'ny manam-pahefana avy amin’ny CDGRC sy ny OMC ny sabotsy tolakandro. Nitarika ny delegasionina ny Lehiben'ny Distrika izay notronin'ny Ben'ny Tanànan’i Maroantsetra Renivohitra, ny Zandarimariam-pirenena, Polisim-pirenena, ny avy amin’ny fahasalamana, ny avy amin’ny fambolena, ary ny OSCs vitsivitsy. Tsy manana ny hoenti-mihetsika ny CDGRC fa fifanampiana no nahafahana nanao ny hetsika, raha ny fampitam-baovao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.