Sosialy

Andro ratsy Dibodrano Antalaha, 1 maty tany Maroantsetra


  • Alakamisy 26 Desambra 2019

Tao anaty oram-be nitarika fiakaran’ny rano no niatrehan’ny mponina tany amin’iny faritra Avaratra Atsinanan’ny Nosy iny ny fetin’ny noely omaly,

 

 vokatry ny andro ratsy any amin’ny ranomasina Indianina. Saika niaina an’izay ny tany amin’ny faritra SAVA sy Analanjirofo tamin’ny ankapobeny. Dibo-drano tanteraka ny tanànan’Antalaha, ka nisamboaravoara mihitsy ny rano teo amin’ny tetezana ao an-tanàna. Tahaka izany ihany koa ny tany Maroantsetra, ka noho izay fiakaran’ny rano izay, dia lehilahy iray no lasan’ny rano tany Andragazaha Kaominina Ankofabe. Tapaka nanomboka ny talata 24 desambra tamin'ny 8ora alina ny famatsiana herinaratra fa nidiran'ny rano ny fitaovan'ny orinasa Tozzi Green any Ambodiriana, mamatsy ny Jirama Maroantsetra. Mbola mety haharitra ny fanamboarana. Tapaka ihany koa ny tambajotran-teserasera Telma. Nisy fahavakisana ka lasa nizara roa ny vinany any Mananara Avaratra, raha ny vaovao azo. Saika dobo sy mitondra faisana ny tanàna ary anisan’ny voa mafy ny kaominina Sandrakatsy ao amin’ny distrikan’i Mananara Avaratra hatrany. Mety mbola hitohy ny andro ratsy. Mahazo ny filazana miloko Mena i Analanjirofo, Sava, Toamasina I-II. Filazana miloko Mavo kosa ho an’ny faritra Diana, Bealalana, Befandriana Avaratra, Analalava sy Antsohihy. Hihitatra any avaratra sy avaratra atsinanan’ny Nosy izany manomboka anio 26 desambra 2019. Arahi-maso akaiky ny fivoarany amin’ny mety ho hivadiany ho rivodoza ao avaratry ny lakandranon’ny Mozambika, hoy ny Sampan-draharaha mpamantatra ny toetr’andro.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT