Sosialy

Andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana Miantso ny hanangonana tavoahangy plastika ny Kopakelatra


  • Zoma 04 Jona 2021

Mandray anjara amin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny tontolo iainana ny Kopakelatra.

 

 Hanentanana ny mponin’Antananarivo amin’ny fanangonana ny tavoahangy plastika eny amin’ireo toeram-panangonana voasingana ho amin’izany araka izany ny Kopakelatra rahampitso Sabotsy 05 Jona.Toeram-panangonana Kopakelatra 8 eto Antananarivo no hisy fanentanana amin’ny fanaterana ireo tavoahangy plastika tsy miasa intsony. Anisan’izany ireo toeram-pivarotana lehibe leader price efatra (Ambatobe, Ankorondrano, Andranomena et Tanjombato), jumbo score telo (Talatamaty, Ankorondrano et Digue) ary ny tobin-tsolika jovena eny Ivandry. Ny tanjon’ny hetsika dia ny hanaitra ny daholobe amin’ny fanaterana tavoahangy betsaka rahampitso tontolo. Hisy ireo lamina apetraka eny amin’ireo toeram-panangonana ho fanajana ireo fepetra ara-pahasalamana. Ny mpandray anjara mitondra tavoahangy plastika mihoatra ny folo dia hahazo fanomezana sy « bon d’achat » jifaina avy hatrany eo amin’ilay toeram-pivarotana nanaterany tavoahangy. Ankoatra ny rahampitso, dia afaka mampiasa ireo baka fanangonana miisa 29 miparitaka eto Antananarivo ny rehetra. Efa nahazo ny bakany ny CETAMADA Sainte-Marie ho fampianarana ny mponina eny an-toerana amin’ny fiarovana ny tontolo iainana. Tanterahina ao anatin’ity taona ity ihany koa ny fampitaovana ny faritra hafa amin’ny baka fanangonana Kopakelatra.

Pati

Legende : Hafotaka tahaka izao ny fanentanana fanangonana tavoahangy plastika rahampitso

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT