Sosialy

Andrin-jiro JIRAMA Ambohimanambola Manempotra ny mponina ny fofony


  • Talata 11 Desambra 2018

Manempotra ny mponina eny amin’ny manodidina ny fofona avoakan’ireo andrin-jiron’ny JIRAMA atobiny eo amin’ny fokontanin’Ampahimanga Ambohimanambola.

 

 

 

 Fokontany 3 no tena mizaka ny tsy eran’ny aina mivantana noho ity fofona mankarary ity izay voalaza fa vokatry ny loko misy “produits” hafa nohafarana avy any Afrika Atsimo nahosotra an’ireto andrin-jiro hazo ireto dia Ampahimanga, Gara ary Tanonandriana. Marihana fa taloha fony menaka « Vidange » avy eto an-toerana no nanosorana azy ireo tsy nisy velively io fofona io. Efa nahangona sonia an-jatony maro ny mponina avy amin’ireo fokontany 3 ireo niaraka amin’ny sonian’ny ben’ny tanànan’Ambohimanambola sy sonian’ny dokotera avy amin’ny CSB 2 eny an-toerana ka nampiarahana tamin’ny fitarainana nalefa any amin’ny minisiteran’ny tontolo iainana sy ny minisiteran’ny fahasalamana  ary ny minisiteran’ny angovo sy akoran’afo ary any amin’ny praiminisitra, ny lehiben’ny distrika, depiote sy  tompon’andraikitra ambony hafa ihany koa saingy tsy mbola nisy akony na dia efa nahazo fanomezan-toky aza fa hojerena akaiky ity raharaha ity ka dia nitokona nitondra sorabaventy  teo amin’ilay toerana misy ny fitobian’ireo hazo ireo mihitsy omaly alatsinainy 10 desambra.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT