Sosialy

Andriampeno Ramiliarison “Tokony hijery loharanon-tsolika hafa isika”


  • Zoma 25 Martsa 2022

Midina be latsaky ny 100 dolara izao ny barilin-tsolika amin’izao isika miresaka izao (TTF: omaly), hoy ny filohan’ny filankevim-pitantanan’ny faribolam-pandinihan’ireo mpahaitoekarena eto Madagasikara na CREM,

 Andriampeno Ramiliarison. Izany anefa, hoy izy, dia efa ambany noho ny vinavina napetraka ho an’ny tetibolam-panjakana. 122 dolara eo ny vinavinan’ny fanjakana sy ireo mpandraharahan’ny solika, raha tetibolam-panjakana 2022. Tokony hiverina amin’ny laoniny noho izany ilay izy saingy ny mampanahy dia hoe raha sanatria ka nanafatra solika tamin’iny fotoana nampidangana be ny vidiny iny ireo mpandraharaha ara-tsolika ireo dia tsy maintsy hampihatra ny vidiny mifanaraka amin’izay izy. Fantantsika fa miakatra be koa ny saran’ny fitanterana an-dranomasina. Isan’ny mety ho kajiany koa izay. Raha izao izany no manafatra ireo mpandraharaha dia tsy tokony hisy ny fisondrotan’ny vidin-tsolika. Mila araha-maso isan’ora mihitsy izany. Tokony hijery loharanon-tsolika any an-toeran-kafa koa isika fa tsy iantehitra amina iray foana. Akaikikaiky kokoa antsika aty Afrika izao, ohatra, I Angola. Ifandrombahan’ny eoropeainna izao ny solika ao sy ao Nizeria. Tsy tokony hisy fidanganan’ny vidin-tsolika izany. I Sina izao no mpamatsy solika goavana indrindra eran-tany. Misy Covid 19 miparitaka be indray nefa any izao dia misy orinasa maro izany tsy miasa mihitsy. Mihena izany ny fanjifan’ny sinoa. Dia rehefa mihena io dia mihena koa, mazava ho azy, ny tinady ary mihena araka izay ny vidin-tsolika. Tokony hanararaotra hanafatra isika. Ny fidangan’ny vidim-piainana moa dia efa namerimberenanay raha vao nanomboka ny Covid 19 tamin’ny 2020 hoe tokony hitodika amin’ny tsena anatiny isika. Mpianatra matoky ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena foana ny fanjakana Malagasy hatramin’izay ka tsy afaka nanampy mivantana ireo mpamokatra anatiny. Tonga nefa izao ny fotoana ihoarana izany mba ho fanampiana amin’ny maha fanampiana azy fotsiny no raisina amin’ireo mpiara-miombon’antoka fa tsy hoe ny fanampiana akory no ianteherana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT