Sosialy

Andrefan’Ambohijanahary Polisy iray hita faty vao maraina


  • Alakamisy 26 Desambra 2019

Polisy iray no hita faty tetsy Andrefan’Ambohijanahary ny marainan’ny talata teo. Tsy voamarina na nisy namono izy na kosa noho ny aretina. Nisy dian-dratra kely sy nivonto teo amin’ny vavany.

Mbola voamarina aloha ny maha-polisy azy ary eo an-dàlam-panaovana fanadihadiana izany ny eo anivon’ny Borigady misahana ny heloka bevava na ny BC amin’izao fotoana izao. Ny hany nilazàna fa polisy izy hatreto dia noho ny akanjo ambony izay nanaovany ary nisy marika polisim-pirenena. Andrasana anefa ny tohin’ny fanadihadiana lalina mikasika ity raharaha ity. Tena tsy milamina ny tany, ary hatramin’ny mpitandro filaminana aza tsy atahoran’ireo olon-dratsy intsony, raha asan-jiolahy no nahafaty ity lehilahy heverina fa polisy ity.

Toky R


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT