Sosialy

Andrebakely Amparafaravola Olona 18 no voapoizin’ny maionezy


  • Zoma 17 Martsa 2023

Olona miisa 18 no fantatra fa voapoizin’ny maionezy tany amin’ny kaominina ambanivohitra Andrebakely, distrikan’Amparafavola, Faritra Alaotra Mangoro afak’omaly.

Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nivadika ho poizina io maionezy io izay vinavinain’ireo nanatri-maso fa mety ho vokatry ny hafanana nefa mety ho vokatry ny fahaelan’ny fotoana nanaovana azy ihany koa. Nifampiarahaba nahatratra ny taona vaovao mantsy ny ZAP tany an-toerana tamin’io andro io ka sakafon’olona maro no tsy maintsy nomanina sy nokarakaraina. Fomba niandohan’ny aretina ny fahararian’ny kibon’ireo olona nihinana izany. Nisy ihany koa ireo nandoa sady nivalana, tranga tsy voafehy raha tsy tonga tany amin’ny hopitaly. Na izany aza avotra soa aman-tsara avokoa izy 18 mianaka mianadahy ireo, tsy nisy ny aina nafoy.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT