Sosialy

Andravoahangy Nampidirina anaty tsena ireo mpivarotra amoron-dalana


  • Talata 02 Aprily 2019

Nanomboka omaly fiandohan’ny volana aprily ny hetsika fandaminana sy fanadiovana ny tsenan’Andravoahangy sy ny manodidina, izay tanterahin’ny Boriborintany fahatelo, kaominina Antananarivo Renivohitra.

 

Nitarika ny asa ny  delegen’ny Boriborintany fahatelo, Hery Razafintsalama sy ireo mpiara-miasa aminy. Tafiditra  indrindra ao anatin’ny vina 100 andron’ny  Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana ny hetsika. Teny  ivelan’ny tsenan’Andravoahangy  no nisantarana azy.  Anisan’ireny ny teny amin’ny  Mascar sy ny manoloana ny tsenan’Andravoahangy  ary ny manodidina. Nesorina ireo mpivarotra amoron-dalana rehetra  ary nampidirina ao anatin’ny tsenan’ny Etal.  Ireo mpivarotra akoho ao anatin’ny tsena kosa dia hisy ny fandaminana izay hatao amin’ny famindrana azy  ireo ao anatin’ny tsena ihany koa. Narahin’ny  fanesorana sy fanadiovana ny  loto misavovona  naterak’ireo mpivarotra amoron-dalana ireo izany,  indrindra ny manoloana ny CSBII.  Nitohy tamin’ny fanasana  izany, izay nataon’ny mpamonjy voina ary nofaranana tamin’ny fandrarahana ranom-panafody mamono mikraoba. Teo koa   ny fanalana ireo fiara mijanona izay mibahana manery ny lalana sy ny fifamoivoizana. Mbola hiroso amin’ny fandaminana ireo mpivarotra solomaso koa ny boriborintany  fahatelo  amin’ny famindrana azy  noho ny fanamboarana ny toerany hatao trano biriky. Tanjona  amin’ny hetsika ny hanalana ny loto sy ny mpivarotra amoron-dalana ary ny hampihenana ny fitohanan’ny fiara eny an-toerana.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT