Sosialy

Andranopasy - Manja Zazakely roa maty nihinana trondro Fano


  • Alarobia 07 Jona 2023

Zazakely roa vao 17 volana sy 6 volana no indray namoy ny ainy tany amin’ny kaominina ambanivohitra Andranopasy, distrikan’i Manja,

Faritra Menabe afak’omaly 04 jona. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia nihinana ilay karazan-trondro antsoina hoe : fanoara izy ireny ny 03 jona lasa teo. Tsy nahazaka ny fanaintainana sy ny aretin-kibo nateraky ny fihinanana io trondro misy poizina io anefa izy ireo ka namoy ny ainy avy hatrany raha mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly ao an-toerana kosa ireo Ray aman-dReniny sy ilay olona iray nivahiny tao amin’izy ireo. Raha araka ny fanazavan’Atoa Albert Roland, Ben’ny tanàna ao an-toerana dia tsy misy atahorana intsony ny ain’ireto farany. Na izany aza mbola mandray an-tanana ny fahasalaman’izy telo mbola tsaboina kosa ireo ity tompon’andraikitra ity sy ny tompon’andraikitra misahana ny fitaleovam-paritry ny jono any Menabe. Nanambara moa ireto farany fa tsy azo hanina mandavan-taona mihitsy ny trondro antsoina hoe any amin’iny Faritra Menabe iny noho izy misy poizina tena mahafaty. Mitohy ny fanentanana ny mponina noho izany.

Pati

(Sary fanehoana)

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT