Sosialy

Andranonahoatra Zokiolona miisa 400 indray no hahazo fanampiana


  • Talata 07 Aprily 2020

Taorian’ireo zokolona 6 isaky ny Fokontany notolorana fanampiana teny Bemasoandro ho an’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano andro maromaro lasa izay dia zokiolona miisa 400 indray no fantatra fa hahazo izany ho an’ny kaominina Andranonahoatra raha araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanana Rasamison Haja.

 

 

 

 Ahitana vary 5 kg, menaka 1 litatra, voamaina,…. io fanampiana io ka ireo zokiolona mihoatra ny 70 taona no kendrena hahazo tombontsoa amin’izany. Tsy hisy ny filaharana mandritra ny fizarana fa aterina isan-tokantrano izany. Ny Ben’ny tanana mihitsy no hitarika, hotronin’ireo tompon’andraikitra eny anivon’ny Fokontany hisorohana ny fiparitahan’ilay tsimok’aretina coronavirus. Tsiahivina moa fa efa nahazo ny anjara fanampiany avy amin’ny Fitondram-panjakana ity kaominina ity ny Sabotsy teo. Vary 1 taonina sy 500 kg no azon’izy ireo tamin’izany niampy menaka 20 bidon mihaty 20 litatra avy. 6.000 Ar avy no nalohan’ny isan-tokantrano tamin’izany nahazoany vary 3 kg sy menaka iray litatra ka tao amin’ny EPP Ambanilalana no nanaovana ny fizarana. Olona 100 isaky ny Fokontany izay hita fa tena sahirana no notsongaina tamin’izany izay nomarihin’ity Ben’ny tanana ity fa niarahany niasa akaiky tamin’ny fokontany ka ho an’ireo efa nahazo ny anjarany tamin’ny sabotsy dia miandry indray aloha fa anjaran’ireo mbola tsy nahazo izany no hisitraka ny fanampiana amin’ny manaraka.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT