Sosialy

Andranonahoatra Antsirabe Velona soamantsara ilay zaza nariana tao an-kabone


  • Alakamisy 19 Novambra 2020

Mitohy misy hatrany ny reny niteraka manary ny zanany eto amintsika. Zazalahy

 

kely vao teraka mbola niaraka tamin’ny tadim-poitrany indray afak’omaly atoandro no nisy nanary tany an-kabone tany Andranonahoatra Antsirabe.Zazakely nilalao teo akaikin’ity efitrano fivoahana ity no nahare ilay tsy manan-tsiny nitomany ka nampandre sy ny manodidina. Lavaka kely antonona ny loha ny fotsiny no nandatsahan'ilay tsy mataho-tody ilay zazakely ka rehefa novakiana ilay kabone dia nihorirana ilay zaza. Nentina teny amin'ny hopitaly avy hatrany moa ilay tsy manan-tsiny ary velona soamantsara. Mbola niaraka tamin’ity zaza tsy manan-tsiny ity moa ny ahitra nifonosany nandritra izany. 


Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT