Sosialy

Andranomanalina sy Isotry Diovina ny lakandranon’Andriambeloma


  • Alakamisy 13 Septambra 2018

Naharitra efa-bolana teo ny asa fanadiovana sy ny fanamboarana ireo lakandrano manary ny rano maloto hivarina any amin’ny lakandrano na « canal »

 

Andriambeloma tao amin’ny fokontany Andranomanalina voalohany, afovoany ary ny fokontany Anatihazo Isotry. Amin’izao fotoana izao dia efa eo am-pamaranana ny asa tanteraka ny Boriborintany voalohany sy ny SAMVA, tamin’ny alalan’ny fijerena ireo fomba hanaronana sy ny fanondrotana ny haavon’ireo « buse » mba tsy hiverenan’ny rano maloto any anaty fokontany indray. Marihina fa anisan’ny mampikaikaika ny mponina eny anivon’ireto fokontany 3 ireto ny fiakaran’ny rano rehefa tonga ny fotoam-pahavaratra satria tokoa mantsy, hoy ny tompon’andraikitra fa rotsa-korana kely monja dia efa maha dibo-drano eny amin’ireo faritra ireo. Ankehitriny kosa dia efa hita fa misy ny fivoarana taorian’ny asa fanadiovana ary azo heverina ny tsy hisian’ny fiakaran’ny rano rehefa tonga ny fotoam-pahavaratra satria dia efa milamina tanteraka ny lalana fivoahan’ny rano. Ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) dia tsy mitsahatra ny mitady vahaolana ho an’ny mponina. Ny asa fiatrehana amin’ny fahavaratra ihany koa dia mbola mitohy hatrany eny anivon’ity Boriborintany ity.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT