Sosialy

Andranomanalina-miparitaka ny aretina


  • Zoma 19 Mey 2023

Tongan’ny rano maloto any an-tokantranon’ny olona

Miparitaka ny rano maloto ao an-tananan’Andranomanalina. Tonga hatrany an-tokantranon’ny mponina mihitsy izany raha araka ny vaovao azo vokatry ny fahafenoan’ny lakan-dranon’Andriantany izay mandalo eny amin’iny faritra iny. Maimbo tsy laitra iainana ny tanana vokatr’izany. Miparitaka ihany koa ireo karazan’aretina maro samihafa toy ny tazo, ny gripa mahery, ny kohoka….Miantso ny tompon’andraikitra toy ny APIPA araka izany ireo mponina eny an-toerana mba hijery akaiky ny zava-misy. Efa nisy ihany hoy izy ireo ny antso avo natao saingy tsy mbola nisy valiny hatreto. Tsiahivina moa fa saika mitondra faisana tahaka izany avokoa ireo mponina lalovan’ireny karazana lakandrano eto an-drenivohitra ireny rehefa feno na tsentsina izy ireny. Manampy trotraka izany ireo trano fivoahana eny amin’ny faritra iva izay lasa feno tsy fidiny vokatr’io rano maloto miparitaka io hany ka mitsingevana eran’ny tanana ny diky.
Pati
Legende : Tena maloto Andranomanalina
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT