ANDRANOMANALINA

Herinandro dia nisongadina ny asa vita avy amin’ny AMA


  • Talata 29 Oktobra 2024

Fokontany roa Andranomanalina I sy Andranomanalina centre no nanaovana ny asa fitrohana ireo rano maloto

miandrona tamin’ny alalan’ny Asa Maharitra ho an’Antananarivo (AMA) satria mifampitohy ilay « canal d'évacuation » eny. Tamin'ny vao nanomboka ny asa ny alahady 20 oktobra dia olona miisa 120 no nahazo asa , ny alatsinainy 21 oktobra nanatitra ny « moto pompe » ny solontenan’i Tahina Razafinjoelina araka ny efa nifanarahana tamin’ny mponina. Ny alarobia naka camion citerne nitroka ilay rano , niverina in-droa ilay fiara. Novakina daholo ny « dalle » rehetra nanomboka ny alakamisy. Nifarana ny alahady 27 oktobra ny asa ary naverina nosaronana ireo « dalle » rehetra nosokafana . Milamina tsara ny eny Andranomanalina. Herinandro katroka izay no nanaovana ny asa ary hita hoe misongadina ny zava-bita, ho an’ny soa iombonana sy tena manatsara ny tontolo iainana, na dia teo ihany aza ny antsojay sy sakantsakana nataon’ny fokontany sny mpiasa sasany avy ao amin’ny kaominina. Nahatsapa ny mponina teny an-toerana fa tena ilaina ny AMA fa sady manampy ireo tsy an’asa no manatsara ny endriky ny tanàna no mbola miaro ihany koa amin’ny mety ho fihanaky ny aretina.
RTT
Legende : Mialohan’ny asa sy taorian’ny fahavitan’ny asa.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT