Sosialy

Andranoalike - Androy Iharan’ny fanaparam-pahefana ireo tompon’omby


  • Talata 07 Desambra 2021

“Vonjeo izahay mponina aty Andranolalike Kaominina Andalatanosy any Ambovombe Androy fa anjakazakan’ny solontenam-panjakana sy ny mpiray dina ny omby”, hoy ny antso vonjy.

 Saika hobodoina ny taniny 80ha ny taona 2014, saingy niezaka nikarakara ny taniny ny tompony, mba ho azo ara-panjakana, dia namorona tetika entina hanagadrana sy hangoronana ny ombin’ny mponina ry zareo, hoy ny fanazavana. Nisy fitoriana in’efatra nisesy nentina hiampangana ny olona fito ao amin’io Fokontany io. Tratra niaraka tamin’ny Basy lava laharana 99.064.367 mantsy ny jiolahy iray, ka basy very nandritra ny fanafihana tao Ambaliandro io, ka ity jiolahy ity no nolazaina fa nanonona ilay olona fito ao Andranolalike kanefa olona tsy fantany sy tsy nahalala azy, raha ny fanazavana. Hatramin’ny olona tsy monina any Androy, miasa amin’ny toeran-kafa nolazaina fa anisan’ny nanafika ka hiharan’ny DINA antony nanagiazana an’ireo omby 49 ny 8 novambra lasa teo, hoy izy ireo. Raha ny fanazavana, notanterahana tao Andranolalike ny kabary DINA, ho fanatanterahana ny Décision NR 687 – 2021/PREF – AMB/DINA tamin’ny 28 oktobra 2021, izay mandidy an’ireto olona fito ireto : Jeannot, Tovontsoa, Zafilaza, Mitondrasoa, Relahy, Mananjoto, ary Valiantsoa Retinony handoa omby 49 amin’Andriamatoa Sambo Sofy izay mipetraka ao Ambaliandro CR Andalatanosy. Tetika voarafitra hamotehana ireo olona 7 rehefa tsy azo ny taniny, hoy ny fanazavana. Rehefa notaterahan’ny mambran’ny Dina io didy io, dia voaangona tokoa ireo omby 49, saingy mitaraina ilay olona nanatanterahana ny fangalàna ny omby, fa tsy ara-drariny ny natao azy ireo. Nisy ny omby 25 naverina rehefa nandeha ny fitarainana tamin’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria nandefa ny lehiben’ny Vondron-tobi-pileovana any Androy, saingy ombin’olon-kafa fa ny an’ny mponina ao Andranolalike tsy naverina mihitsy, hoy izy ireo. Tondroin’ireo lasibatra ho nanao fanapahana tamin’ny fanavahana an-keriny ireo omby 49 ireo ny governora sy ny Prefen’Ambovombe. Ny 02 desambra 2021, dia fantatra fa nozarain’io mpaka ankeriny ny omby 23, ary natrehin’ny zandary raha ny vaovao nampitaina taminay, hoy ny fitarainana. « Toa ny tany lavitra Andriana, manjakazaka amin’ny fanaparam-pahefana ireo tompon’andraikitra ambony, ary ny mpitandro filaminana natao ho tandroka hiaro ny vozona no manao izay tiana hatao amin’ny fananan’olona », hoy hatrany ny antso vonjy.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT