Sosialy

Andramasina Fito volana tsy nandray karama ireo mpampianatra FRAM


  • Alakamisy 25 Jolay 2019

Fito volana tsy nandray karama koa ireo mpampianatra FRAM any amin’ny distrikan’Andramasina.

 

 Hatreto anefa dia mbola manohy ny asa fampianarana ihany izy ireo, hoy ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana Andriamanjato Liantsoa Bina ho fitsinjovana ireo ankizy madinika, indrindra fa ireo hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE.  Marary ny sehatry ny fampianarana any an-toerana raha araka ny fanazavany hatrany ka ilana fijerena maika. Ho an’ireo ray aman-dreny mampiana-janaka eny anivon’ny sekolim-panjakana  indray dia  nambarany fa mitovy amin’ny vola aloa eny anivon’ny sekoly tsy miankina ihany ny vola aloan’izy ireny noho ny havitsian’ireo mpampianatra mpiasam-panjakana. Mihena hatrany ny isan’ireo mpianatra miditra an-tsekoly ao Andramasina isan-taona,  tranga iray mampahazo vahana ny habadoana eny ambanivohitra. Miantso ny fitondram-panjakana mba hijery akaiky ny olana sedrain’ny mponina ao Andramasina  ity solombavambahoaka iray ity izay tokony hanaovana toy ny  alefa Barea ihany koa, hoy izy. Tsiahivina moa fa ity solombavambahoaka ity no voafidy ho filohan’ny vaomieran’ny fampitaovana sy ny fotodrafitrasa eo anivon’ny Antenimieram-pirenena izay nisaorany manokana ireo vondrona parlemantera Tiako I Madagasikara.

Pati

 

 Eparsa.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT