Sosialy

ANDRAMAHAVOLA ITAOSY Herinandro tsy nahazo rano fisotro madio


  • Talata 16 Aogositra 2022

Hijaliana ny rano fisotro madio eny Itaosy Atsimondrano eny. Ho an’ny Fokontany Andramahavola,

kaominina Ambohidrapeto manokana dia fantatra fa efa ho herinandro izao no tsy nisitraka rano fisotro madio intsony ny mponina. Tapaka tanteraka mihitsy izany hoy ny mponina raha mba nisy kely teo aloha. Vokany, voatery mifandrombaka maka rano any anaty vovo avokoa ny ankamaroan’ny mponina izay tsy maintsy handoavam-bola ihany koa. Betsaka anefa ireo tsy mahavatra ny mampangotraka izany vao misotro hany ka lasibatry ny aretin-kibo ihany koa. Manoloana izany dia manao antso avo amin’ny orinasa JIRAMA ireo mponina any an-toerana mba hametraka hatrany ilay baombaona lehibe isaky ny faritra hahafahana mamatsy rano tsy tapaka ny isan-tokantrano raha sanatria ka tapaka ny paompin’ny JIRAMA. Tsy araka mantsy ny hividy rano voavoatra amin’ny tavoahangy hatrany hoy ny mponina. Nomarihin’ireto farany hatrany moa fa ankoatra ny jiro dia tsy mitsaha-midangana ihany koa ny vidin-drano, nefa tapa-dava tahaka izao.
Nangonin’i Pati
Legende : Ilaharana tahaka izao ny rano eny Atsimondrano eny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT