Sosialy

Andralanitra Olona telo tratra nandoro ny toerana fanariam-pako


  • Alarobia 17 Jolay 2019

Setroka be tsy nifankahitana teny Ambatomaro sy Andralanitra omaly ka nampitaraina ny mponina. Ankoatra ny fofona nentin’ilay setroka izay voalaza fa nahery vaika tokoa dia maizina ihany koa ny tanàna.

 

Vokatry ny fandoroana  ny fako teny an-toerana nataon’olona miisa telo no nahatonga izany raha araka ny fanazavan’ny SAMVA,  antony nanosika azy ireo  hiala tsiny tamin’ireo mponina voakasika. Nanao izay ho afany  koa ny SAMVA tamin’ny famonoana ny afo. Tonga nanolo-tanana azy  ny sampana mpamonjy voina etsy Tsaralalana ka vetivety ihany dia voafehy ny afo. Ireo olona telo  tratra kosa moa efa notazonina ary nanaovana fanadihadiana, raha ny loharanom-baovao azo. Tsiahivina fa ireo fako  amin’ny daban-jaoridira  avy any anaty tanàna raofin’ny kamiao lehibe isan-kariva no hariana eny Andralanitra.  Ny SAMVA ihany no mikarakara ny famotehana azy ireny  fa tsy  ilana olona mpandoro avy any ivelany tahaka izao.

Pati

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT