ANDRAISORO-TSARAHONENANA…

Vidiana 3.000 Ar ny rano iray bidon


  • Alatsinainy 28 Aprily 2025

Vidiana 3.000 Ar ny rano iray bidon miloko mavo ao Andraisoro, Tsarahonenana, Fort Duchesne, Antsahameva…amin’izao.

Mahalany 12.000 Ar ny tokantrano iray raha mampividy rano 4 bidons izay nomarihin’ny Renim-pianakaviana iray fa tsy ampy hampiasain’ny tokantrano iray ao anatin’ny tokantrano iray akory saingy tsy maintsy mihafy. Vokatry ny fahatapahan’ny rano vatsian’ny JIRAMA avokoa no mahatonga izany. Efa ho 2 volana mantsy izao no tsy nandeha intsony ny rano tao amin’ireo tanana voalaza etsy ambony ireo. Ritra ihany koa ny vovo noho ny fihazakazahan’ny isan-tokantrano mba hatsaka amin’izany indrindra fa ho an’ireo sahirana ara-pivelomana. Mahatsiaro ho sahirana ny mponina vokatr’izany. Eo an-danin’izay anefa dia tsy maintsy aloha toy ny mahazatra ihany ny faktioran-dranon’ny JIRAMA rehefa mifarana ny volana. Nomarihin’ireo mponina moa fa midangana lavitra noho ny vidin’ireo PPN eny an-tsena ny vidin-drano eny aminy. Mandeha dia an-tongotra lavitra mantsy ireo mpatsaka vao mahita paompy mandeha hany ka lafo dia lafo ihany koa no hamarotany izany.
Pati
(Sary fanehoana) 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT