Sosialy

Andraisoro sy Ambatokaranana Nahazo lalankely


  • Talata 30 Jolay 2019

Taorian’ny fitarainan’ireo mponina eny Andraisoro sy Ambatokaranana voarain’ny avy eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra dia nanatanteraka fitsidihana teny ifotony ireo tompon’andraikitra avy eo anivon’ny CUA omaly,

 izay notarihan-dRazafimahefa Heriniaina, mpanolotsaina manokan’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra Lalao Ravalomanana, ny delegen’ny Boriborintany fahadimy Rakoto Emmanuel Richard sy ny lefiny. Teny Andraisoro akaikin’ny FOFIFA no natomboka ny fitsidihana, ka hisy ny fanamboarana lalana ho rarivato.  Nitohy teny Ampasampito Ambatokaranana avy eo nijerena ny fizotra sy ny fahavitan’ilay lalankely mirefy 120 metatra natao rarivato ary nijerena koa izay fanatsarana mbola tokony hatao.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT