Sosialy

Andohatapenaka Trano miisa 10 no indray narodana


  • Talata 05 Febroary 2019

Trano miisa 10 no indray narodana omaly tetsy Andohatapenaka. Raha araka ny fantatra dia ady tany mbola mandeha eny amin’ny Fitsarana izy io saingy vetivety foana dia nivaly.

 

Ho an’ireo mponina manana ny trano rava dia nambaran’izy ireo fa efa ela izy no saika hividy ny tany tamin’ny orinasa lehibe iray  saingy tsy nahazo valin-teny mahafa-po. Nitory teny amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ireto farany  ka resy ny mponina. Tsy nijanona teo anefa satria nampiakatra indray ireo mponina saingy mbola resy ihany izy ireo. Didy  avy amin’ny vadintany sy ny grosse sisa no tonga teny am-pelatanan’izy ireo ny zoma faran’ny herinandro teo nanome 48 ora hahafahan’izy ireo miala amin’ny tany ihany koa. Tapitra ny alahady teo ilay 48 ora ka roso tamin’ny fandravana ny trano ireo tompon’andraikitra omaly. Nilaza ireo manana ny trano rava fa tsy nahazo fiantsoana izy ireo tamin’ny fotoana nandehanan’ny raharaha teny amin’ny fitsarana sady tsy nahalala na inona na inona ihany koa. Nisy tamin’izy ireo no efa nifindra tany amin’ireo havany sy namany omaly ankoatra ireo tsy mahita aleha.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT