Sosialy

Andohatapenaka III Tranga mateti-piseho ny fanariana zaza vao teraka


  • Alakamisy 28 Mey 2020

Nahitana zaza rano iray nisy nanary tao anatina sachet plastika teny Andohatapenaka III afaka omaly maraina.

 

 

Teny akaikina sekoly iray no nahitana ity fatin-jazakely ity izay tombanana efa nateraka mihitsy vao nariana. Olona teny an-toerana ihany no nahita ilay tsy manan-tsiny izay marihina fa mbola niboridana tanteraka ary niforitra noho ny hatsiaka hany ka namoy ny ainy. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina tompon’andraikitra iray teny an-toerana dia tranga efa mateti-piseho eny Andohatapenaka ny fanariana zazarano tahaka izao. Ny mbola olana anefa dia mikodana loatra iny toerana iny ka tsy fantatra intsony na vahiny no mahavita manao izany na olona eny amin’ny manodidina ihany. Ny BMH moa no tonga naka ny razana teny an-toerana tamin’io fotoana io raha efa misokatra kosa ny fanadihadiana sy ny fitadiavana izay Renin’ilay zaza.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT