Sosialy

ANDOHANILAKAKA Lehilahy nanolana zazavavy dimy


  • Zoma 17 Desambra 2021

Zazavavy kely miisa dimy 7 taona sy 8 taona, 11 taona ary 17 taona taona no nasesina lehilahy iray naolana tao Andohanilakaka.

Nofetsen’io lehilahy io tamin’ny bisikoitra, mofo sy vatomamy ary dessin animé ireo zaza ireo. Nanamparany ny filan-dratsiny sady ampijereny film X ireto farany vokatr’izany. Nisy zazavavy kely iray hafa, 4 taona, nentin’ny reniny hisasa satria handeha hianatra. Nitaraina anefa ity farany fa marary ny mahavehivavy azy. Nilaza izy, rehefa nanontaniana, fa, “nolalaovin’i Takalosoa ilay lehilahy tsy mataho-tody tamin’ny tanany ny fivaviany.Nentina tany amin’ny mpitsabo tsy miankina ity zazakely ity taorian’izany. Nambaran’ilay mpitsabo ary fa simba ilay zazavavy kely.Nolazaina tamin’ny havan’ilay lehilahy izany, saingy nandà fotsiny izy ireo. Nentina teny amin’ny CSB2 ilay zaza taorian’uzany. Nilaza anefa ilay dokotera fa mbola madio ilay zaza. Nisafotofoto ny raharaha teo amin’ny andaniny sy ny ankilany, noho ireo valinteny samy hafa. Na izany aza, tsy maintsy nosokafana ny famotorana, satria efa tafapetraka teny amin’ny zandary ny fitorian’ny ray aman-drenin’ilay zaza.Marihana fa, notarihin’i Takalosoa ho ao an-tranony io zazakely io, ny sabotsy 11 desambra lasa teo. Norakofany bodofotsy niaraka taminy. Tsy nanam-po na inona na inona izy, kanjo tratran’ny renin’ilay zaza, tamin’io fotoana io.Nosamborin’ny fokonolona i Takalosoa ny alatsinainy maraina lasa teo. Tezitra ny mponina ka nidarodaroka azy talohan’ny nahatongavan’ny zandary.Fantatra tamin’ny famotorana fa, hay efa fanaony io fomba ratsy mamohehatra io. Niahiahy avokoa ny teo an-tanàna ka, samy nijery ny zanany vavy. Hita tamin’izany fa, zazavavy 5, no efa simbany raha araka ny fanamarinana sy fizaham-pahasalamana teny amin’ny CSB2. Natolotra ny fampanoavana tao Ihosy omaly ny lehilahy.
Pati Legende : Ity ilay tsy mataho-tody sy ireo zaza nosimbainy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT