Sosialy

andevozin'ny zava-mahadomelina Eny akaikina sekoly no midoroka


  • Alakamisy 09 Febroary 2023

Lehilahy miisa 02, izay vao 26 sy 21 taona no saron’ny mpitandro ny filaminana nifoka rongony teny Ambohimanatrika ny 07 Febroary lasa teo tokony ho tamin’ny 7ora hariva.

Raha tsiahivina kely dia naharay fitarainana ny avy eo anivon’ny mpitandro ny filaminana any an-toerana amin’ny hafitsok’ireo mpidoroka zava-mahadomelina eny amin’iny faritra iny. Fantatra mantsy fa matetika loatra izany hany ka mitarika ireo zatovo hanaotao foana toy ny manolana sy mangalatra ary manakorontana fiaraha-monina. Tsy niandry ela moa ny tompon’andraikitra fa nandefa ireo polisy nisafo ilay toerana voalaza ka tratra tamin’izany izy roalahy ireto. Teo akaikin’ny EPP izy ireo no nanao izany izay mbola nahatrarana rongony rarany kely nandritra ny fisamborana. Efa nentina natao fanadihadiana moa izy roalahy ireto.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireto izy roalahy tratra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT