Andavanandron’ny Malagasy

Tsy fiainana fa ady mba tsy ho faty


  • Talata 19 Desambra 2023

Manodidina ny 3000 ka hatramin’ny 20 000 Ariary no vola miditra amin’ireo mpivarotra

madinika amoron-dalana eto Antananarivo renivohitra sy ireo kaominina manodidina azy. Vao tsy miasa iray andro tonga dia sahirana, mety tsy hihinan-kanina mihitsy. Feno azy ireo rehefa arabe, ifamezivezen’ny olona, matetika tsy mety miditra anaty tsena satria aleo amin’ny toerana be mpandalo, hono amin’izay mora lafo ny entana.Amin’io vola miditra io, tsy latsaka ny 6000 Ar ny sakafo maraina atoandro hariva. Ny ambim-bola kely mety eo am-pelatanana mandeha any amin’ny hofan-trano, saram-pianaran’ny ankizy, jirama, na vidin-drano eny amin’ny paompim-bahoaka. Tsy afaka mandany vola sy fotoana hoe handahenana miala sasatra izany ny ankamaroan’ny tokantrano, hoe mba haka rivo-dranomasina kely na ho any ambanivohitra satria ilay ho enti-manana mihitsy no tsy ampy. Raha sendra marary, na misy adidy tsy maintsy atao dia voatery mitrosa, tahaka ny efa fanao eny amin’ireo épicerie eny an-tanana ihany rehefa manomboka manify ny vola tahiry. Miasa mafy efa ho adin’ny 8 na adin’ny 10 isan’andro kanefa tsy afaka mitsinjo ny vodiandro merika akory, tsy afaka manana ambim-bava, tsy afaka mankafy fiainana sy misitraka ny hatsembohanny tava anya mina zavatra mba mahafinaritra. Tsy miaina ny fiainana ny ankamaroan’ny tokantrano Malagasy fa miasa mafy sy miady mba tsy ho matin’ny hanohanana, mba tsy ho faty…tsotra izao. Na mandoa 600 ariary amin’ny taxi be aza manahirana ; mainka moa fa ny hoe handeha taxibrousse Antananarivo – Mahajanga. Tsy mety ny manonofy fotsiny sy miandry tolorana na zatra manolotra. Tsy misy afa-tsy asa, fampitomboana ny vokatra ary ny fanabeazana ny vahoaka no mampandroso firenena iray.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT