Sosialy

Andavanandron’Antananarivo Jiro sy rano tsy tomombana, fifamoivoizana mitohana


  • Alakamisy 08 Jona 2023

Ny jiro sy rano, ny herinaratra sy ny rano moa izany no marimarina kokoa, efa tsy tomombana hatramin’izao,

raha ny fitarainana heno sesilany teto Antananarivo renivohitra omaly.Mba hiala tohamboivoy na «embouteillage» Ankorondrano sy Analakely dia nitsofoka Ampasampito, hoy ny mpampiasa lalana iray, vao maika nitohana indray omaly tokony tany amin’ny 7 ora maraina tany ho any. Mbola tsy nifanalavitra an’izay koa no nitranga tamin’iny Analakely nihazo an’i Behoririka ho any Amboditsiry iny, ny tolakandron’io, raha ny fitantaran’ny mpandeha amina zotra fitateram-bahoaka iray. Ora 2 mahery, hoy ity farany, vao tonga tany amin’ny anton-dia nefa andro efa tamin’ny 12 ora sy sasany atoandro tany ho any. Ny jiro sy rano izany efa tsy tomombana, ny fifamoivoizana koa tsy mitsahatra mitohana. Ny olona miha reraka, reraky ny asa, reraky ny fahasaahirana, reraky ny tsy fahampiana, reraky ny rivotra sy tontolo iainana maloto. Hisy famokarana mampandroso azo antenaina ve ao anatin’izany ?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT