Sosialy

Andavamamba Leo fofona kafe ny mponina, feno setroka ny tanàna


  • Alakamisy 01 Aogositra 2019

Velon-taraina ireo mponina etsy Andavamamba noho ny fisiana ozinina iray mpanodina kafe eny an-toerana.

 

 Manetroka tsy mitsahatra mantsy izy io sady mamoaka  fofona kafe mahery vaika izay tsy maintsy hiainana isan’andro. Raha araka ny nambaran’ireo solontenan’ny mponina omaly dia ireo ankizy madinika mpianatra manodidina ity ozinina ity no tena mahita faisana. Tsy mahare fofona afa-tsy  kafe mantsy izy ireo ao an-dakilasy isan’andro  nefa na ireo mpandalo aza tsy mahatanty. Mangataka ny amin’ny tokony hampiakarana ho ambony kokoa ilay fitaovana mamoaka setroka ao amin’ity ozinina iray ity ireo mponina ao Andavamamba. Eo koa ny fanamboarana ny fotodrafitrasa hanjary ho tena manara-penitra ho fitsinjovana ny fahasalaman’izy ireo. Tsiahivina fa tafiditra afovoan-tanàna mihitsy ity ozinina iray mpanodina kafe ao Andavamamba ity.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT