Sosialy

ANDAVAMAMBA Hisy tanana vaovao hiforona


  • Zoma 27 Aogositra 2021

Mba hahafahan’ireo asa fanadiovana ny lakan-drano C3 mandalo etsy Andavamamba mizotra an-tsakany sy andavany dia tsy maintsy hisy fianakaviana hafindra toerana.

Misy toerana vaovao hantsangana ao Andavamamba handraisana ireo fianakaviana ireo. Tokanrano miisa 84 no hipetraka amin’io toeram-ponenana vaovao io. Trano 29 miisa izay hizara « appartements » 87 no handrafitra izany. Hisitraka foto-drafitrasa fototra ihany koa ny mponina amin’io toerana vaovao io toy ny rano fisotro madio, ny tsena, ny toerana fanasan-damba, sns. Hitondra ny anjara biriky lehibe amin’ny fanatsaràna ny fiainan’ny mponina amin’ireo faritra sahirana ny fananganana io toeram-ponenana vaovao ao Andavamamba ity. Ny Fitondram-panjakana moa no hanatanteraka izany no sady hanomezana endrika ny tanana ihany koa. Tsy ireo rehetra voakasika sy tsy maintsy mifindra toerana anefa ny fisitrahana ity tetikasa ity satria voalaza fa misy amin’ireo fianankaviana no nisafidy fanonerana amin’ny endriny hafa. Araka ny drafitra novolavolaina amin’ny fametrahana ireo olona ireo amin’ny fotodrafitrasa na ny PAR (Plan d’Action de Réinstallation) izay tafiditra ao anatin’ny tetikasa PRODUIR (Projet de Développement Urbain Intégré de Résilience), dia afaka nisafidy fanonerana izy ireo na famindrana amina toerana vaovao, na karazana “indemnité” mitovy sanda amina famindrana azy ireo amina toeram-ponenana vaovao.

Nangonin’i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT