Sosialy

Andasibe Noana, nitroatra ireo mpisera dia


  • Zoma 14 Aogositra 2020

Ela ny ela fa nitroatra ihany koa ireo mpisera dia ao amin’ny valan-javaboahary ao

 

 

Andasibe miisa 105 mianadahy. Efa efa-bolana tsy nampidi-bola mantsy izy ireo hatreto nefa mamelom-bady aman-janaka avokoa, manofa trano….Nivoaka tamin’ny fahanginana izy ireo koa manao antso avo amin’ny Fitondram-panjakana ny amin’ny tokony hanampiana azy ireo. Raha araka ny fantatra mantsy dia manana taratasy ara-dalana izy ireo amin’ny maha-mpisera dia mahaleo tena azy, mandoa hetra ihany koa….Ankoatra ny fiarovana sy ny fikarakarana ity valan-javaboahary ity dia anisan’ny asa sahanin’izy ireo ny fitadiavana paikady hatrany hampitomboana ireo mpizahantany vahiny mandalo ao an-toerana vao miazo an’i Toamasina. Nohantitranterin’izy ireo moa fa anisan’ny valan-javaboahary mampidi-bola betsaka Andasibe noho izy voakolokolo sy akaiky satria dia 135 km monja miala ny an’Antananarivo no misy azy.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT