Ananan’olona volabe

Saika hamono tena fa tsy maty


  • Alatsinainy 04 Martsa 2024

Ny marainan’ny sabotsy teo amin’ny toerana antsoina hoe Anendaka,

lehilahy iray, Tsila no anarany, nikasa hamono tena ka notsatohany antsy ny firifany, hoy ny fampitam-baovao voaray. Tsy maty anefa izy ary tsy fantatra izay mbola ho fiantraikany. Nofatorana izy ary niantsoana polisy mba hisakanana ny fikasan-dratsiny. Rehefa natao ny fanadihadiana dia ny hasarotam-piainana no nahatonga azy saika hanao izao. Ananan'olona vola be izy ary raha tsy milamina amin’ity androany ity dia ho lasa daholo ny trano natao antoka sy ny tsena kely izay fivelomany. Tsy zakan'ny sainy izany ka nahatonga azy hamono tena. Marihana fa manan-janaka miisa 3 izy ary any Ambanimaso no monina, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT