Sosialy

Analavory sy Ampefy Kofona ny sehatry ny fizahantany


  • Alatsinainy 03 Mey 2021

Faritra isan’ny mahasarika ny mpizahantany Malagasy sy vahiny i Itasy, amin’ny fananany toeram-pitsangantsanganana maro amin’ireo Distrika telo mandrafitra azy.

 

Manana ny Chute de la Lily sy ny Geyser ny Kaominina Analavory, manana ny farin’Itasy sy ny Ilôt de la Vierge ny Kaominina Ampefy, samy ao anatin’ny Distrikan’i Miarinarivo, ankoatra ny ala tapia sy ny farihin’i Taboaka ao Arivonimamo raha tsy hitanisa afa-tsy ireo. Misedra olana anefa ny lalampihariana fizahantany ao Itasy sy ireo olona mivelona mivantana amin’izany hatramin’ny nisian’ity valanaretina coronavirus ity, ary nanampy trotra izany ny fihidin’ny Faritra Analamanga izay mpifanolobodirindrina aminy ao atsinanana. Miainga ao Analamanga rahateo ny ankamaroan’ny olona tonga miala sasatra any Itasy. Varavarana misokatra no hany hamantarana ny hotely sy toeram-pisakafoanana fa tsy misy mpanjifa tonga. Mitaninandro fotsiny ireo mpiseradia fa tsy misy mpizahatany. Roapolo lahy eo izy ireo no hita eo Mahiatrondro, manao io asa io miandry ireo mpitsidika ny Chute de la Lily. Mizara vondrona roa ireo mpiseradia ao, mifandimby isan’andro. Mahazo 20.000 Ariary isan’andro, isan’olona eo izy ireo rehefa faran’ny herinandro talohan’ity valanaretina covid-19, amin’izao anefa tsy mahita na Ariary aza mandritra ny andro maromaro. Misy amin’izy ireo no lasa namboly noho ny tsy fisian’ny mpizahatany tonga. Voadona mafy koa ny jono sy ny varotra trondro, isany mampalaza an’i Itasy. Mpivaro-trondro enina no mivarotra eo ampizaran-tany manasaraka ny Kaominina Analavory sy ny Kaominina Ampefy. Mahalafo folo kilao isanisany eo ny mpivarotra iray. Ankehitriny, iray sisa no mpivarotra tazana eo, ny sabotsy sady andro tsena ao Ampefy no fahatongavan’ny mpizahatany ary zara raha mahalafo trondro dimy kilao. Simba ampitoerana ny voankazo mampalaza iny faritra iny, toy ny papay, pasteky, voatango, zavoka. Atao varoboba, iantsoantsoana ny olona sendra mandalo mba hijanona hividy. Nangoron’entana, niverina any an-tsaha ireo mpivarotra fahatsiarovana. Tsy mihiboka ny Faritra Itasy, misy ny tsena isan-kerinandro saingy mitaraina ny olona, fa tsy zaka intsony raha mbola haharitra ny fihidin’ny faritra Analamanga izay iankinan’ny faritra Itasy amin’ny fampandrosoana ny lafiny toekarena, miantraika amin’ny lafiny sosialy noho ny fihenan’ny fidiram-bola.

 Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT