Sosialy

Analanjirofo 10 andro taorian’ny taom-piotazana dia lany ny lodsia


  • Talata 30 Novambra 2021

Tsy tena azo nantenaina ny vokatra lodisia tany amin’ny Faritra Analanjirofo tamin’ity taona ity raha araka ny fanazavan’ny lehiben’ny faritra ny Dr Randriamanantena Marcellin.

10 andro taorian’ny taom-piotazana monja mantsy izany dia lany, zakana sambo miisa 2. Ankoatra izay hoy ity lehiben’ny faritra ity dia tsy nahafa-po loatra ny vokatra noho ny tsy fahampian’ny ranon’orana izay antoka iray tena mampitombo azy ireny. 48 ora aorian’ny hiotazana ny lodisia hoy izy dia efa miova ihany koa ny endriny ka miteraka fatiantoka goavana raha tsy hay ny miaro sy mitahiry azy.Ny jirofo sisa araka izany no mba hany fanantenan’ny mponina any amin’iny faritra iny. Raha 18.000 Ar mantsy no vidin’ny jirofo iray kilao maina teo aloha dia efa tafakatra 23.000 izany ankehitriny. Na izany aza anisan’ny fahavalon’ny jirofo kosa raha araka ny fanazavany ny rivo-doza. Raha misy jirofo iray tapaky ny rivotra sy ny orana mantsy hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity dia afaka efa-taona indray izany vao mety ho tafarina raha tsy hay ny miaro sy mikoja izany.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT