Sosialy

Analamanga, Antsinanana, Matsiatra Ambony Hisy fanisam-bahoaka, homena tohana manokana


  • Alakamisy 09 Aprily 2020

Ny zava-dehibe hataontsika, izay nahazoana famatsiam-bola avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena dia ny resaka “digitalisation” eny amin’ny fokontany, hoy ny Filoha.

 

 

 

Ny fokontany rehetra ao anatin’ireo toerana telo ao anaty fihibohana noho ny coronavirus (Analamanga, Antsinanana, Matsiatra Ambony), dia alaina ny “base de données” na ny mombamomba azy, ka hisoratra ao daholo ny isan-tokantrano. Miaina anaty fahasahiranana mantsy ny Malagasy. Misy trano efitra roa, izay olona maro no ao anatiny. Ny ankamaroany tsy manana kara-pokontany sy kara-pifidianana. Alaina ny rejisitra ary homena laharana. Soratana amin’ny solosaina daholo. Hovatsiana solosaina daholo ny fokontany ary ireo “operateurs de saisie” avy amin’ny minisitera. Homena « carte magnétique » miaraka amin’ny « code barre » avokoa ny olona. « Scanner-na” iny dia hita ao daholo hoe iza no tonga sy tsy tonga, araka ny fanazavana ara-teknikan’ingahy Filoha. Ho hita hoe iza no efa nahazo fanampiana na iza no tsy nahazo, iza no nandoha adidy sy tsy nandoha? Ny olona sahirana dia homena 100 000 ariary. Tsy maintsy ho vita ao anatin’ny 10 andro io, rah any fanazavana. Homen-danja lehibe amin’ny lamina ara-piarahamonina sy ny fiatrehana ny valanaretina ny Komity loharano, ary hiainga avy any ifotony ny fampandrosoana, hoy I Andry Rajoelina.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT