Sosialy

Analamahitsy Nihetsika ireo mpivarotra amoron-dalana


  • Alatsinainy 14 Mey 2018

Noraran’ny kaomisarian’ny polisy ao amin’ny boriborintany faha-8 eny Analamahitsy tsy hivarotra ny sabotsy 12 mey teo ireo mpivarotra amoron-dalana miainga eo amin’ny fivarotan-tsolika Total ka hatreny amin’ny sampanana hidina any amin’ny Cité sy ny Jirama Analamahitsy iny.

Niatrana nanakana azy ireo mihitsy ny andiana polisy maromaro ary nijanona teo amin’ny toerana nanomboka maraina hatramin’ny fiandohan’ny tolakandro. Nihetsika ireo mpivarotra amoron-dalana ireto tamin’io fiandohan’ny tolakandro io ka nitondra sorabaventy namakivaky an’ity toerana ity nilaza ny fanoheran-dry zareo ny fandraran’ny polisin’ny 8è tsy hivarotra sady nihiaka fa simba ny entam-barotr’izy ireo ary farany dia nobahanan-dry zareo ny lalan-tokana teo ambanimbanin’ity tobin-dasantsy ity ka niteraka fitohanan’ny fifamoivoizana. Tonga teny an-toerana niresaka nivantana tamin’izy ireo ny kaomisera lehiben’ity kaomisarian’ny boriborintany fahavalo ity ka nilaza fa tsy maintsy miala izy ireo hanamboarana ny lalana araka ny baiko azo avy any amin’ny distrika ka ny lehiben’ny fokontany no miandraikitra ny momba an’ireto mpivarotra ireto. Nambaran’ireo mpivarotra anefa fa na io lehiben’ny fokontanin-dry zareo eny Analamahitsy io na ny CUA miadidy ny tanàna dia samy nilaza fa tsy misy mahalala an’izao fanapahan-kevitra izao. Eo anoloan’izany indrindra no mampanontany tena ny maro hoe amin’izao mampamaivay ny toe-draharaha eto amin’ny firenena izao ve sy amin’ny tsy mbola mampitony ny saim-bahoaka noho ny nataon’ny polisy tany an-tanànan’Antsakabary dia mbola misy sahy mandray fanapahan-kevitra tahaka izao ?

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT