Sosialy

Analakininina hopitalibe Toamasina Trano 7 no hotrongisina rahampitso


  • Alakamisy 06 Febroary 2020

Trano miisa fito miorina ao Analakininina hopitalibe Toamasina, mitondra ny anarana villa Linah, ao anatina tany mirefy 7 ara sy 17 sa

 

 

no kasain’ny zandarimariam-pirenena any an-toerana hotrongisina rahampitso  zoma, alana tanteraka amin’ny toerany. Nisantaran’ireo zandary ny asa ny famefena ny lalana miditra ao amin’ity tanàna ity izay nambaran-dRtoa Vavy Eline, vadina tantsambo sady  tompony fa tsy nisy didim-pitsarana akory. Raha tsiahivina, efa tamin’ny taona 2018 no nila vaniny tamin’ity renim-pianakaviana ity ireo zandary ao Toamasina noho ny filazan’izy ireo fa azy ny tany. Raha araka ny fanazavan-dRtoa Vavy Eline indray anefa dia azy ny tany, efa 17 taona izao raha kely no nanajariany ilay toerana, ananany taratasy ara-dalàna, misy titra  amin’ny anarany ary  vita baorina. Ny loza anefa, hoy izy dia ny vato baorina fito amin’ireo valo napetraky ny tompon’andraikitra misahana izany ao amin’ny villa Linah Toamasina dia  efa nalan’ireo zandary ireo avokoa. Miantso ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ny jeneraly Ravalomanana Richard ity vehivavy ity hijery akaiky izao ady tany  hifanaovany amin’ny zandary ao Toamasina izao. Nomarihiny manokana moa fa nikasa hanararaotra ara-nofo azy ireo zandary ireo saingy rehefa nanda izy noho ny fitiavany ny tokantranony dia nivadika ho zavatra hafa.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT