Sosialy

Analakely Tsy hita popoka ilay tovovavy nandeha nivalan-drano


  • Talata 03 Desambra 2019

Tovovavy efa 18 taona i Ando Maya, efa manana fofombady. Nanjavona tsy niverina intsony tao amin’ny efitrano fandraisany olona

 

 mpanao volo tetsy amin’ny esplanade Analakely anefa ny tovovavy ny zoma maraina teo tokony ho tamin’ny 10 ora sasany raha nikasa hivalan-drano ary tsy mbola niverina hatramin’ny fotoana nanoratanay omaly hariva. Efa nitety hôpitaly, pôlisy ary tranom-paty ireo fianakaviany saingy tsy mbola hita mihitsy ny tovovavy. Tsy nisy anefa ny olana na ny ady nifanaovan’ity tovovavy ity tamin-dreniny na koa tamin’ilay fofombadiny. Manao antso avo amintsika rehetra araka izany  ny fianakaviany mba hiantso azy ireo avy hatrany raha vantany vao mahita an’i Maya. Ny laharam-pinday  0342922844 na ny 0349524416 no hahafahana mifandray mivantana amin’izy ireo. Tsiahivina moa fa ambonin’akanjo rayaure mainty sy fotsiny no nanaovan’ity tovovavy ity tamin’ny fotoana tsy nahitana azy, niaraka tamin’ny pataloha mainty sy tennis adidas miloko fotsy.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT