Sosialy

ANALAKELY Trano 78 isa no tokony hanavao ny lokony


  • Alarobia 19 Febroary 2020

Isaky ny dimy taona no tokony hanavaozana sy hatsarana ny lokon’ireo manodidina an’Analakely, araka ny lalàna.

 

 

 

Misy anefa ireo tsy manao izany mihitsy raha tsy tairina. Mahatratra 78 isa izy ireo no tokony hanao izany. Manoloana io tranga io dia namoaka fanambarana ny Ben’ny tanànan’Antananarivo Naina Andriantsitohaina fa  hiroso hatrany amin’ny fanadiovana ny tanànan’Antananarivo sy ny fampanarahan-dalàna ny rehetra ny tenany sy ireo mpiara-miasa aminy. Nisy ny antso avo nataony tamin’ireo olona tompon’ireo trano miisa 78 ireo mba samy hanavao ny lokon’ny tranony, indrindra fa ireo manaraka ny araben’ny fahaleovantena izay sady endriky ny tanàna. Ho an’ireo mpivarotra amoron-dalana tsy ara-dalàna indray dia nanamafy ny Ben’ny tanana fa  tafiditra ao anatin’ny fandaminana sy ny fanatsarana ny tanàna tanterahiny avokoa ireny rehetra ireny. Ho an’ny etsy Anosy manakaiky ny tranom-patin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha ohatra dia nasaina naka sisiny namonjy ny tamboho avokoa ireo mpivarotra. Nasiana toeram-panariam-pako ihany koa eny amin’ny lalana mba hahafahan’ireo mpandeha an-tongotra mampiasa ara-dalàna ny trottoir sy tsy hanarinary fako eny rehetra eny.

 

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT