Sosialy

Analakely sy ny manodidina Tsy maintsy miala ireo mpivarotra amoron-dalana


  • Talata 14 Janoary 2020

Nidina ifotony teny amin’ireo faritra misy mpivarotra amoron-dalana toy ny etsy Tsaralalana sy ny manodidina ireo polisy miasa ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany voalohany etsy Analakely omaly.

 

 

Nanentana ireo mpivarotra ny polisy ary mampiomana azy ireo mba hiala eo amin’ireo toerana ireo ary hanatona ny kaominina hahafantaran’izy ireo ny toerana tokony ho azony hivarotana. Izao no natao dia mba hanalefahana ny fitohanan’ny fifamoivoizana sy hahafahan’ny mpandeha an-tongotra mandeha eny amin’ny « trottoir » ary entina hanabeazana ny mpampiasa lalana ao anaty fanarahan-dalàna, hoy ny fanazavana. Taorian’ny fanentanana, dia hiroso hanala ireo mpivarotra izy ireo amin’ny herinandro manaraka io raha toa ka mbola mahita mpivarotra amoron-dalana eny amin’ny faritra Analakely sy ny manodidina. Nanahirana ny mpitantana ny tanàna ny fanalana ireo mpivarotra amoron-dàlana, ka ny hirariana mba tsy hananosarotra ny asa ataon’ny polisim-pirenena ho fanalalahana ny fifamoivoizana sy ho fampanajana ny lalàna.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT