Sosialy

Analakely sy ny manodidina Tsena be ny sabotsy teo


  • Alatsinainy 20 Aprily 2020

Ny “loharano” tsy hita fihaviana ary mbola saika mikolay amin’ny firafiny sy ny fomba fiasany hatramin’izao ny ankamaroan’ny valalabemandry.

 

 

 

 

 

Na ireo solombavambahoaka aza mihaiky fa misy zanak’Ikalahafa ny fitsinjarana ireo fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana. Miaina anaty fahantrana ny ampahany betsaka amin’ny malagasy. Raha nanodidina ny 95% izany teo dia ahiana ho ny ampahany manontolo mihitsy, ankoatran’ireo mpitondra sy mpanao politika vitsivitsy angamba sisa, atsy ho atsy raha izao no mitohy. Miha tsy zakan’ny olona arakaraky ny fitombon’ny andro tokony hanatontosana azy ny fihibohana na “confinement” satria ny hanina anio tadiaviny anio. Niverina ny tsena be teny Analakely sy ny manodidina ny sabotsy teo, ao daholo rehefa mpivarotra fa tsy hoe sakafo sy PPN irery ihany;hatramin'ny akanjo sy kiraro fripy, ny finday, ny mpampiditra hira amin'ny finday, ny mpivarotra famataranandro, ny kahie sy boky, .... Moa ve tsinin’izy ireo?

 

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT