Sosialy

Analakely Miditra am-ponja 48 ora izay tratra mandoto


  • Alatsinainy 29 Jona 2020

Manomboka izao, ho tanàna sy vahoaka miaina amin’ny fahadiovana no ho hita ao Analakely.

 

 

 

 

 Nanao fanentanana ireo mpivarotra sy mponin'Analakely, ny sabotsy maraina teo, ny minisiteran'ny filaminam-bahoaka tamin'ny alàlan'ny polisin'ny boriborintany voalohany (CSP1). Raha ny fanazavana voaray dia voarara ny mivalan-drano etsy sy eroa, ny manitsaka ireo faritra efa voaloko madio tamin'ny fankalazana ny fetin'ny fahaleovantena, ny mandrora sy mandrehoka an-dalambe, ny manary sisan-tsigara sy taratasy ary ireo fonon-javatra rehetra tsy ao anaty dabam-pako. Resy lahatra tanteraka tamin'ity fanentanana ho amin'ny fahadiovana ity ireo olona voakasik'izany. Izy ireo indray, araka ny voalazan'ny polisim-pirenena, no hanara-maso sy hanentana ireo mpiantsena sy mpivezivezy eo Analakely. Amin’ity herinandro vaovao ity dia, hozaraina kofafa sy baoritra hanadiovana ny faritra hiasany ireo mpivarotra ary koa mba hitondrany ny fakony mody. Ho an'ireo minia mandoto ka tratran'ny fokonolona na polisy dia, hampidirina fonjakely mandritra ny 48 ora, ao amin'ny kaomisaria, avy hatrany. Hatreo amin'ny faritr'i Le Glacier ka mipàka eny Soarano aloha no niantefan'ny fanentanana afaka omaly sabotsy saingy hihitatra eny Antaninarenina sy Tsaralalàna ary toeran-kafa izany ato ho ato.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT