Sosialy

Ampitatafika Saika nidiran-doza ilay taksi


  • Alarobia 08 Janoary 2020

Fikoropahana tsy nisy ohatra’izany ny teny Ampitatafika nanakaiky ny banky BNI omaly.

 

 


Taksi iray no tojo olana: toa hafahafa fandeha, hoy ny nahita avy eo nanomboka ny tselatr’afo ka teo vao taitra ilay mpamily sy ny mpandeha tao anatiny. Tena nidedaka ny lelafo, hoy hatrany ireo nanatri-maso; soa ihany fa nisy olona teo amin’ny manodidina manana itony “boule” fampiasa manokana hamonoana ny afo. Iny no tonga dia nalefa teo amin’ilay fiara, teo amin’ny motera moa no nisy afo , ka nisy ny fipoahana somary nahery vaika ihany izay tena nampivadi-po ny rehetra. Misy mpivarotra rahateo amin’ny andanin’ny roa amin’iny lalana iny miampy ireo mpandeha an-tongotra mifamezivezy tsy tapaka. Tsy ilay fiara akory no nipoaka fa tahaka izay mihitsy no fiasan’ilay “Boule extincteur anti-feu” .Fampiasa mba hamonoana haingana ny afo sy tsy hanimba ilay zavatra nirehitra, toy ny moterana fiara, ohatra. Tsy nisy ny naratra na sanatria namoy ny ainy, saingy nisy kosa ny fahasimbana. Maro amin’ireo taksi na fiarakaretsaka no mbola mametraka ny solika anaty “bidon” dia ilay misisika kely eo akaikin’ny mpamily, ary rehefa mandrotsaka solika avy eo dia mila andrarahana kely ary amin’ny motera dia trohana kely. Izany zavatra izany no miteraka loza, zavatra tena tsy araka ny tokony ho izy satria matoa misy “”reservoir” ny fiara dia ao izany no toerana azo antoka indrindra hitahirizana ny solika fa tsy amina zavatra hafa. Ekena fa mety noho ny fitsitsiana no mahatonga izany saingy avy eo anefa simba ny fananana ary mety handratra sy hamono olona mihitsy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT